Araka ny hitsivolana laharana faha-60-048 tamin'ny 22 Jona 1960 izay mametra ny fombafomba arahina eto anatrehan'ny Rantsan'Ady
amin'ny Fanjakana eto amin'ny Ag Af novàn'ny hitsivolana laharana faha-62-073 tamin'ny 29 septambra 1962 ;
Araka ny andininy faha-02.02.04 ny fehezan-dalàna momba ny hetra ary tovana amin'ny lalàna n° 00.005 tamin'ny 22 desambra 1977 momba ny
teti-bolam-panjakana ho amin'ny taona 1978 ;
Araka ny lalàna laharana faha-61-013 tamin'ny 19 jolay 1961 nanorina ny Ag Af izay novàn'ny hitsivolana laharana faha-62-091
tamin'ny 1 oktobra 1962 sy ny Lalàna faha-64-016 tamin'ny 16 desambra 1965 ;
Hita ny taratasy famakian'ady nataon'i Z Ad, … 171, monina ao Al, Filohan'ny Ae Ak
Ah Y Aj Au, Aq Al I, fitoriana voarakitra laharana 33/81-Adm tamin'ny 11 marsa 1981 tao amin'ny
fiandraiketan-draharaha ny At Ag ny ady amin'ny Fanjakana ao amin'ny Ag Af ary mangataka ny fanafoanana :
1°/ ny didim-pitondrana laharana 3485/80 tamin'ny 29 aogositra 1980 nataon'ny Ap AJ Ar izay nampiato ny mpitory tamin'ny
andraikitra naha-filoha voalaza etsy aloha azy ;
2°/ ny didim-panjakana laharana 81-032 tamin'ny 9 febroary 1981 nataon'ny Filohan'ny Ao Ax Am izay nanala tanteraka azy
tamin'io andraikiny io ;
....................
Rehefa nifampidinika araka ny lalàna ;
Aa AJ C Z Ad dia mangataka ny fanafoanana :
1°/ ny didim-pitondrana faha-3485/80 tamin'ny 29 aogositra 1980 nataon'ny Ap AJ Ar izay nampiato tamin'ny andraikitra
naha-Filohan'ny Ae Ak azy tao amin'ny Ah Aj Au, Aq Al I ;
2°/ ny didim-panjakana faha-31-032 tamin'ny 9 febroary 1981 nataon'ny Filohan'ny Ao Ax Am izay nanala tanteraka azy
tamin'io andraikiny io ;
Aa, mba ho antom-panafoanana ny didim-pitondrana roa nampiato sy nanala azy tamin'ny asany, dia milaza ny mpitory fa, eo an-kilany, dia
misy fihoaram-pahefana nihatra taminy ary, eo an-daniny, dia tsy nohajaina ny zony hiaro-tena ;
Aa heverina fa tsy misy tokony hanatanterahana ny fandehanana any an-toerana (AlAO ;
Aa B, ao amin'ny antontan-taratasin'ady, fa tamin'ny maha-Filohan'ny Ae Ak AJ Ai Aj Au ALAl) azy, ka
nalàna tamin'izany andraikitra izany izy, dia nandà hatrany ny baikom-pamindram-pahefana ny mpitory noho ny fiheverany fa ny olona voatendry
hisolo toerana azy dia tsy manana toetra na tokony ho amin'izany asa izany ;
Aa tsy anjaran'ny mpangataka velively ny mitsara na mitsikera ny momba izay ho solony fa zo voatokana ho an'ny manam-pahefana amboniny
izany, koa dia fahadisoana lehibe ny fandavany tsy hanao famindran-draharaha ; ary dia tsy misy fihoaram-pahefana hasetry ny didy AK
Z Ad AN foanana noho io antony voalohany io ;
Aa, ankoatry izany, dia nisy fisafoana nataon'ny Inspecteur d'Etat mikasika ny asan'ny mpitory ka vita fitanana an-tsoratra laharana faha
:1016-TVX/ISP/U tamin'ny 31 aogositra 1979 izay mirakitra ny fanazavana an-tsoratra navaliny ny toe-javatra nokianina taminy ; ary izany dia
tena fanajana ny zony miaro-tena ; koa dia tsy mitombina ihany io antony faharoa io, ka dia tokony ho lavina ny fitoriana etoana ;
AM AG An AG,
Dia mandidy :
Andininy voalohany :- Lavina ny fangatahana voalaza etsy ambony nataon-dRamatoa Z Ad ; ary dia foanana ny didy sava-ravina
laharana faha-86 tamin'ny sivy septambra iraika amby valopolo sy sivinjato sy arivo ;
Andininy faharoa :- Apetraka amin'ny mpitory ny fandoavana ny lany tamin'ny fitsarana ;
Andininy fahatelo :- Alefa amin'Andriamatoa Ap AJ Ar, ny Talen'ny Ac Aw A AJ Av AH AJ Ab AI
As ary koa ny mpitory ny kopian'ity didy ity ;