Araka ny hitsivolana laharana faha 60-048 tamin'ny 22 jona 1960 mametra ny fombafomba arahina eto anatrehan'ny Rantsan'Ady amin'ny
Ae eto amin'ny B Ac novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-073 tamin'ny 29 septambra 1962 ;
Araka ny andininy faha 02.02.04 ny fehezan-dalàna momba ny hetra ary tovana amin'ny lalàna n° 00.005 tamin'ny 22 desambra 1977 momba ny
teti-bolam-panjakana ho amin'ny taona 1978 ;
Araka ny lalàna laharana faha 61-013 tamin'ny 19 jolay 1961 nanorina ny B Ac izay novàn'ny hitsivolana laharana faha 62-091
tamin'ny 1 oktobra 1962 sy ny lalàna faha 65-016 tamin'ny 16 desambra 1965 ;
Araky ny fangatahana naroson'Andriamatoa RALAIVAO Jean Baptiste, mpamboly, monina ao Ankarana-Mahazoarivo (AeZ, izay nosoratana ao
anatin'ny boky firaketan-draharahan'ny B B ny ady ifanaovana amin'ny Ae, tamin'ny 1 mars 1984, mba ho sazina - raha
sitraky ny B Ac - ny Ae Ah mba handoa aminy onitra 18.000.000 iraimbilanja (18.000.000 fmg) noho izy
niharam-pahavoazana vokatry ny an-tsirambina nataon'ny mpiasan'ny fonja ;
....................
Rehefa nifampidinika araka ny lalàna ;
Ab Ag Y Jean Baptiste ny hanasaziana ny Ae Ah handoa onitra aminy 18.000.000 iraimbilanja (18.000.000 FMG)
noho izy nihara-pahavoazana vokatry ny antsirambina nataon'ny mpiasan'ny Fonja ; lazainy fa raha nahaterina mialoha teo anatrehan'ny B
B ny Ady heloka ara-ekonomika tao Ambositra izy tamin'ny 20 mars 1980, dia ho tsy nihemotra ny fotoam-pitsarana ary tsy ho voatazona izy
mandra-pihavin'ny 12 jiona 1980, fotoana nanafahan'azy tamin'ny fiampangana ho nanimba ny volin-dRALAIVAO Af C AG Aa ;
Ad ny fahefana mitsara :
Satria ity raharaha ity dia miompana mivantana amin'ny ady heloka ; koa tsy andraikitry ny Fitsarana etoana no mandinika azy sady efa voalazany
raha teo izany tsy fahefa-mitsara izany tamin'ny didim-pitsarana anankiroa mitondra ny laharana faha-8 tamin'ny 20 janoary 1982 sy faha-52
tamin'ny 18 mai 1983 ; anjaran'ny mpitory ny mitondra ny raharaha any amin'ny Fitsarana manampahefana mikasika izany raha heveriny fa mitombina
ny fangatahany ;
NOHO IREO ANTONY VOALAZA IREO :
Dia mamoaka ny didy manaraka izao :
Andininy voalohany :- Lavina ny fangatahan'Andriamatoa RALAIVAO Jean Baptiste ;
Andininy faha-2 :- Ny mpangataka no mizaka ny lany rehetra tamin'ny B A … … …
… … …… … … … … … … …, Mpitahiry ny tombon-kasem-panjakana, ny Talen'ny Législation et
Contentieux sy ny mpangataka ;